<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Avia, ry vazantany o! FFPM16</title>
<lyrics>[V1]
 Avia ry vazan-tany ô !
 Sy mponina ao an-danitra
 Miraisa feo ka mihirà
 Ny fanavotan-dehibe,
 // Izay amonjena marobe,
 Dia vita re ka miderà //

[V2]
 Avia ry fiangonana ô !
 Mba asandrato re ny feo
 Hidera ny Mpanavotra ;
 Na atý an-efitra aza izao,
 // Hirao am-pandehanana
 Ny hira soan'i Ziona //

[V3]
 Avia ry voavonjy ô !
 Ka mifalia avokoa,
 Fa afa-doza hianareo ;
 Miraisa feo, ka mihirà,
 // Derao, derao, fa mendrika
 Ilay nanavotra anareo //

[V4]
 Avia ry olom-bery ô !
 Izay mandre ny teny soa
 Hoe : « Manatòna Ahy izao »
 Anio ny Tompo mba fidio ;
 // Ny fitiavany valio ;
 Ny fiderany koa hirao //</lyrics>
<hymn_number>16</hymn_number>
<author>Cantiques Populaires</author>
</song>